Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-7
25 Ny amin'ny virjiny, dia tsy mahazo didy avy amin'ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin'ny Tompo mba ho azo itokiana.26 Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin'ny olona ny mitoetra toy izao ihany. 27 Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va hianao? Aza mitady vady. 28 Tsy manota anefa hianao na dia hanam-bady aza; tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin'ny nofo kosa izy ireny, ka iriko tsy voan'izany hianareo. 29 Izao no hevitro, ry rahalahy: fohy ny andro, ka amin'izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;
30 ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; 31 ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao